HENDRY ILAY FITIA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fitiavana hangalarina,aleoko ihany izaho tsy manana
Dia mahatra fihadanana
Tsy hitsiriritra akory, ny endriky ny tokatranony
Ka hoe: higoka ranondranony
Tsy izaho mihitsy izany!

Raha mbola resaka fitiavana,tsy salovanim-pahendrena
Aleoko izaho mananontena
Satria ! fahasambarana mihavosa,izay heveriko ho favy
Aleo ho an'azy mianakavy
Fa ilain'ireny izany!

Ny fotoana sy ny vola,homenao tsy ankitsitsitsitsy
Tsy ho laniko mihitsy
Fa raha izy telo mianaka sy ho an'ny Nivo kely zokiny
Soratan'ao anaty bokiny
Dia ho sambatra zareo!

Fitiavako io 'zao efa hendry,ka tsy mba hampirafy intsony
'Lay toetra tia mangala-bady,jereo fa hafatratro amin'ny gony
Ary havariko amin'ny hantsana,fa nanenenako ny vita
Ny masoko efa jamba teo,Misaotra anao f'efa nahita
Ka manomboka androany,andao hanaja fiandrianana
Ka ny vaditsika roa,samy ho voky fihadanana
Rehefa hendry ilay fitia!
--------
Rohy:
338 0
Hevitra mandeha
hery ( 01/11/2023 11:35)
Saika hohantsaiko fa toa misy disodiso dia tsy azoko. Avereno vakiana hoe dia ahitsio
DADAFARAtolotra ( 06/11/2023 09:16)
misaotra; efa voahitsy tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 26/10/2023 05:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022