HO SITRANA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha aho hanantena anao, ry tsy haiko mombamomba
Hofatorana ny foko, dia haterina any am-ponja
Ka gadraina tsy hahita afa-tsy ny endrikao
Satria ny trano izay fonenany, nanao azy ankilabao

Andeha aho hanantena anao,ry vao hitako androany
Andeha hatokako ho anao,ny fivahiniako eto an-tany
Raha mbola misy te-hiantsampy, izaho handositra fitiavana
Dia ny sandrinao irery, fikirina hanidiana vazana

Indray andro mantsy isika, hiara-dia sy hiara-dàlana
Izaho fanosoka ny banga, ianao famafy izay mahalana
Ka ny saha sy zaridaina, hiarahana miriaria
Tondraky ny fiadanana, mirarak'ompana fitia
Ka ho sitrana ny ratrako,
Rehefa ianao anivon-tratrako
--------
Rohy:
253 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 23/01/2024 07:06
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0534