HOAZY (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako mangina ny tontoko androany Manganohano maso te-handrotsaka tomany
Rahoviana vao ho afaka amin'ny lalana hizorako
Raovina koa no rovitra ny lamba fisalorako
Ka hisolo lambanao !
Manonofy fatratra, mamisavisa foana
Manisanisa volana hivadika ho taona
Mametraka kinasa mamy rehefa any aoriana
Hoe sambatra ny akaniko fa manan'olon-tiana
Hitanana ny sandriko !
Ahoana raha hidiranao ny varavaram-piainako
Ahoana raha sitraninao ny jaly izay hiainako
Ahoana raha ianao ilay mpanamasaka tokonako
Ahoana raha anaranao anaty bokim-piankohonako
sambatra aho angamba !
Folo izay ny taona nihaonantsika farany
Vao maika miha mandrobona, miakatra ny sarany
Lafo tena lafo tsy mba takatra vidina
Ny hasambaram-poko f'efa manan'olon-tiana
Rehefa tonga ianao !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 08/05/2026 12:03
