IANAO (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha alaiko namana any, hono izao tontolo izao
Dia izy no hilazako, fa tena tiako loatra ianao
Na ny lasa na ho avy, mbola tsy azoko visaina
Dia hampahafantariko azy hoe ianao no zaridaina

Ho bitsihako ny kintana, fa ny volana tenenina
Babonao ny amparahatoko,tena tsy azoko hafenina
Ka ny androm-pahavelomana, hivahinianako eto an-tany
Tena banga anao tanteraka, asa ianao raha toy izany?

Mba atopazo izy ho anjarako, รด ry lahatra sy tendry
Fa efa tafavoriko ato ireo tadim-pitiavana hendry
Izay nomaniko ho azy, hampahasambatra tontolo
Ka ny fitiavana hananako, habosabosako daholo
Ato am-pahavelomanay!
--------
Rohy:
192 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 26/12/2023 05:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742