INDRAY ANDRO ANY 2 (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro ianao handositra ao anatin'ny fitiavako
Dia tsy ho zakanao mihitsy ilay hoe hanatrika ny tavako
Fa ianao sy ny fitiavana niriko loatra tamin'zany
Hay kay ngidy sy mafaitra ilay no heveriko ho mamy
Ka dia tena nisambarako!

Indray andro any mbola ho levona,ireo voady izay voahidy
Dia ho tsapanao angamba,f'izaho 'lay tena sarobidy
Nanana fitia madio,tsy nisy petina indrindra
Natokako ho anao irery sy tsy mibilaka famindra
Nefa dia no rohasinao!

Andeha sitraniko ny jeriko
Ny ambom-po hapandeferiko
Ka olon-kafa tsy hay faritana
Avelako any hitondra fitana
Hitsiditsidika ny doboko!
--------
Rohy:
236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 12/12/2023 06:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.261