ISIKA NO TALOHA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miredaka firehitra ,manakatra vovonana
Mianika tamboha tsy miandry izay an-tokonana
Fa miditra an-keriny tsy azonao sakanana
Satria fony izy teo,dia nigoka fiadanana

Indreo fa mifanjohy an'eritreriny any
Tsy nety nanadino mbetika mifanontany
Nakaiza teo 'lay silako toa olona hafa foana
No indro misakambina mijoro manoloana

Misaraka tsy miady tokoa hono maha-be nenina
Mibaribary 'zany 'zao ka tsy azonay hafenina
Marina mihitsy fa fitia no ambony indrindra
Dia zary lasa izahay no injao mibilaka famindra

Iza kosa anefa no azo omena tsiny
Izahay anie voalo-no sady niaraka fahiny
Na samy manan-tompo aza tsy azonay hidina
'Lay efitrano sambany niarahana nandrina
Ka amin'izao fotoana fantatray fa mampirafy
Fa saingy rehefa tia dia jamba miaritra ny mafy
Ka tsy mahita diso fa fitiavana no ambony
Samboaravoaram-po anatinay tsy mety tony
Fa samy mbola tia...
--------
Rohy:
318 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 01/12/2023 08:53
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014