MANDEHANA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio no anoratako,fa dila toy ny taona
Tsy afaka hiaona,
Fa rava ny @tsika,ka levona avokoa
Foana ny taloha,

Neniko ny lasa,tomany koa ny hoavy
Izay antsana sy hady
No mitatao imasoko,rehefa lasa ianao
Nidila sy nandao

Ratra tsy hay sitranina,fery tsy hay fafana
Injao midanadana,
Andro maizim-pito,tany karakaina
Manepotra ny saina

Maloto tsy hay sasana,ny lambako rehetra
Tsy misy mba mitsetra,
Iomezany aza hono,ts'nay nitondra tena
Ka kitra no babena,

Na malahelo anao,na mitomany anaty
Dia miondrika tsy satry
Fitiavana amboletra,tsy nisy fifaliana
Kanefa dia nirina,

Raha mba miaraka amiko...
Raha izy no mba mamiko...
Indrisy kay tsy anjara ka rava teo sahady
Nihidy ny vavahady

Izy mba no heveriko hikolo sy hanasoa
Nandrava ny tamboho
Aza mierikerika,zory izany lalana fa tofoka aho androany
Zakaiko ny adidiko,fa efa 'zay angamba no zotrako eto an-tany
Miandry ahy izy ireo
Hitia tsy hanaiky ho leo!
--------
Rohy:
298 1
Mpakafy: DADAFARAtolotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 24/11/2023 12:37
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151