METEZA ! (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Meteza mba hiaino salasalam-pitarainako
Meteza mba hikolo sy hanasoa ny zaridainako
Meteza ho fanilon'ity maso tsy mangarika
Meteza mba hividy sy hanatoa 'zay adivarotra

Meteza miara-monina amin'ny saina tsy mamitaka
Meteza miara-dalana amin'ny foko feno bitaka
Higoka fahasambarana eny anivon'ny tontolo
Fa ny fitia hanany ho hararany daholo

Meteza ianao hatsaka anaty dobo fatsakanako
Meteza ianao hizotra any amin'ny toerana handehanako
Meteza mba ho andrin'izao fiainako eto an-tany
Meteza fa hisotro iretsy singa tena mamy

Meteza ho solon-damba hisalorako amin'izay
Meteza handefimandry mba ho ahy mandrakizay
Fa mila anao ny banga sy ny androm-pahavelomana
Hanorina fitiavana ato anaty fiankohonana
--------
Rohy:
529 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 27/12/2023 08:02
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0918