NIFOHA INDRAY ILAY FITIAVANA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza kay ianao ry volan-penomanana ?
Fa toa voataratrao aho dia nihika fihadanana
Zary tsy nahatsapa irony kapoka mafaitra, niainana taloha
‘Lay efa tofok’iny, jereo indray fa mifoha
Satria nahita anao !

Mafonja ny fitiavana miredaka ato anatiko
Mahery vaika loatra ka tena tsy ho fatiko
Ka rehefa misy volana mivadika ho taona
Milanao ny bangako, fa tsy haiko hoe ahoana?
Ny tena zotran’diàko, aty am-pandinihana!

Ho an’izy ireto vony izay firavan-jaridaina
Ho an’iza ireto vina izay kezahana dradraina
Ho ana’iza koa foko tsy mitempo an-kafa intsony
Mba raiso dia teherizo,ary avy dia saromy!
Fa efa anao izy io !

Indrisy re ry lahatra,nahoana no dia izao
Tadiavinao haravanà,’lay tombana natao
Ka raha mba sitrakao e ! dia am-pihaino ihany
Fa ela izay ny foko tsy nigoaka zava-mamy
T’anatiny fitiavana !
--------
Rohy:
403 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 23/11/2023 05:39
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147