IO FITIAVANA IO (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manaiky tsy an-kisala ny zavatra tsy vitany
Mandeha an-tsokosoko amin'ny lalan-tsy fahitany
Toa zary lasa jamba rehefa tena miaraka aminy
Ka sahy misalo-damba ,tsy azy akory fa nindraminy
Rehefa tena misy!

Tsy mba marin-toerana mpifindrafindra lasy
Tsy mahay mifidy penina toa ravin-taratasy
Afaka manoratra mandragotra eo daholo
Ireo karazam-penina rehetra manontolo
Satria mifakatia!

Rehefa any an-trano dia,"Stylo" manga fotsiny
No injao mpanoratsoratra mpizara rotsirotsiny
Fa rehefa eny ivelany dia tena mahonena
Mibolisatra manoratr'ao ny mainty sy ny mena
Amin'ny ravin-taratasiny!
--------
Rohy:
446 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 04/12/2023 07:58
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0638