RAHOVIANA ARY? (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahoviana vao ho levona ny tany izay fonenako?
Dia iza koa no hamafa ireto lasa nanenenako?
Fa mbola mitomany ilay fo maratrako iny
Iza indray no afaka hanatò ny faniriany?

Rahoviana vao tangosako ny tena fahasambarana?
Fa ranomaso foana hatreto, ny ao am-baravarana
Lavitry ny tsiky, tsy miondam-pifaliana
Mahantra fiadanana, tsy manan' olon-tiana

Rahoviana vao haniry solonao ny zaridaina?
Rahoviana vao ho tratra ireto vina 'zay dradraina?
Rahoviana vao ho sitrana tanteraka ny foko
Ka olon-kafa indray no anarana hantsoiko ?

Fafako irony fafana fanoratrao fahiny
Bedesiko ny lasa, dia ny anio omena tsiny
Ary amin'izay fotoana 'zay dia hovaiko ny famindra
Dia tsy mankany intsony, hafa indray no ahindrahindra
--------
Rohy:
315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 08/01/2024 12:28
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153