RAOZY (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny raozikeliko iny,mba sarony fahendrena
Fa rehefa tonga ny fotoana,hiriko hisy loko mena
Aza avela ho kasihin’ireo minia te-hankahala
Vao mihevitr’azy ireo,dia ahilio anjorom-bala
Hanalavitra ny raoziko !

Tsy tapahanao ny bozaka,mpanalokaloka fotorana
Dia tondrao matetika izy, ho solon-damba fisalorana
Hampamanitra ny faka,sy ny lemaka haniriny
Fa tena tiako mba ho mena,iny raozikeliko iny
Rehefa izaho mihoty azy !

Ny fahadiovan’ilay raozy, ho entinao miriaria
No taratry ny ampitsotsika,hirarakopana fitia
Ka mba hanan-tokatrano,lavitry ny disadisa
Raozikely mani-pofona,tena raozim-paradisa
Ny ao anaty sahanao !

Indray andro any hanala tsilo an’izany raozitsika izany
Tiko ianao raha falifaly,no sady handrotsaka tomany
Ranomasom-paharavoana,izay mihika fahasambarana
Noho ‘lay raozitsika roa, mbola mihidy varavarana
Saingy raha tsy mihidy intsony
Dia handosirako ny fony
--------
Rohy:
220 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 01/02/2024 05:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0698