RENY MÔDELY (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako androany fa mahery ianao ry Tiana
Mananko anatiko any ireo karazam-pifaliana
Ny tontolo sambatra nomenao ho diaviko
Ilay nosakelehako iny, efa no loloaviko
Ka sambatra izahay!

Tsapako androany fa ianao mahazaka fonja
Tsy namela ny fitiavana na dia segôndra monja
Nahasaky niaina tokana nisedra ady mafy
Nanaja nankatoha ka tsy mba nampirafy
Ka sambatra izahay!

Tsapako androany hoe ianao ilay Reny mendrika
Ho sambo fiampitana ka tsy manaiky ho rendrika
Na manan-drafy hivelany, na miditra an-tokonana
Niaretanao ny jaly , hampitsiky ny ankohonana
Ka sambatra izahay!

Tsapako androany, ianao ilay hazo izay fialofana
Andry azo hifotorana sy lamba firakofana
Ny gainan-dohataona sy ririnin'ny hirifiry
Tsy nalazo ny fitiavana,vao maika miha-mitsiry
Ka sambatra izahay!

Anio no nahatsapako, ianao fanilon'ny ankany
Tsy manome mafaitra, fa mampihanoka ny mamy
Mamelana mandrobona, maintso mavana sy tsara
Fa manana ilay Reny tena mahay mikarara
Ka sambatra izahay!
--------
Rohy:
92 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0201