SINGAN'EMBONA (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba nahatsiaro ny taloha ilay mamalalako fahinyDia nanokatra ny siny, fitehirizanay fitiavana
Any ampita tsy hay tazanina, lavitra tsy taka-basy
Ireo fitiavana nafafy, antenaina mba haniry
Izaho irery an-tanin'olona, vitsika momban-kitay
Vonton'alahelo indray, satria nisy hembona nifoha
Ao anatitsika ao avy, ve nisy dimbiny naniry
Mananko aty am-poko aty matsy ireo karazana hirifiry
Tamin'ny mbola tsisy anao
Andeha izaho hiverin-dalana, tsy hanakifika ny loha
Andeha dodosako ny lasa, mba domidomiko hifoha
Sao dia mbola tafatsangana, ka mandingana makany
Mbola zatra ireo taloha, ilay nomenao vatomamy
Ka mangetaheta indray
Tsy maty akory ny amin-tsika fa no hezahina nafindra
Ilay nafenitsika roa, amin'ny lalina indrindra (any anatitsika any)
Ka raha sanatria mifoha, iza no homena tsiny
Tsy mbola mety ritra mantsy, ilay rano tao anaty siny
Fa mitobaka makany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 26/11/2024 05:59