SITRANA (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa sitrana ny tany ilay notsahanao taloha
Efa vita asa mihitsy, dia nanorenana tamboho
Ary atsy ho atsy kely, dia tsatohana fitiavana
Ka ho zaridaina manitra, feno loko maitso mavana
Ao anaty sahany ao !

Tsy mba azonao tsidihana fa feno lolo sy tantely izay mpiambina tanàna
Ka tsy hamela velively ny vohitr’ao ho fanjakana
Ho anao ‘zay efa nandosirany !

Efa tara-pahazavana, ’lay tsikin’endri-malony iny
Hilomanosany ny visa, izay fivetsony fahiny
Mihikiaka fahasambarana, hono, ity fo kely adalany
Efa teraka daholo ireo karazan-tsalasalany
Satria nahita solonao !

Hary elatra tanteraka ka niampita vazantany
Difotry ny fiadanana, ilay nahantra tamin’izany
Efa sitrana avokoa irony olatra sy fery nasosososokao t’anatiny
‘Zay ny fetra sy ny datiny, ka tsy mandrampihaona intsony
Fa efa sitrana ny fony…
--------
Rohy:
242 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 04/12/2023 05:41
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159