Tambanivohitra (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha lazaiko anao ny heviny, mety hino ve ianao
Fa ireo tambanivohitra no tena tsara filalao
Tsara saina tsy mpamitaka raha sendra manan'olontiana
No hany tanjona himasoany, fitia atao fanambadina

Izy ireo dia zatra miafy, fanala sy ny danik'andro
Tsy mba miavona sakafo, tiany foana izay nahandro
Mivary na dia tsy amin-daoka, misotro na dia tsy amin-jinga
Ny fifohazana maraina, ireny ny azy no apinga

Azoko antoka ny fiainany, tsara ny tambanivolo
Karazan'onja maro maro, mizezika mitao-mololo
Tsy mba tsapa izay ho reraka, lera de masoandro mody
Fitia miloatra avy ao anatiny, tsy mba mila fanafody

Satria fitia tsy misy lainga,iray koa aminy ny tiana
Izay tafaraka amin'ireny, lavitry ny fahoriana
Tia lamaody koa nefa izy,saingy soa vao mahafinaritra
Tsy mba tia mangata-bola, asa ianao raha mahatsikaritra?

Tena masaka ao an-tsainy, fitiavan'io an'olon-droa
Tsy mba mampirafy izany,izay voleny dia mamoa
Tiako ianao ry ambanivohitra, sompitry ny kolotsaina
Mana-toetra tsy voatohitra tena mendrika deraina,

Raha toa ny tenako hanambady, izao ny anahy mba fikasana
Any ambanivohitra any, no misy dobo fatsakana
Fitovozana ny tsara, bika endrika fanahy
Ianao mpamaky tsy nahazo, avia handeha hanaraka ahy
Any isika no hitady,
Kinasa mendrika ho vady....
--------
Rohy:
307 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 05/01/2024 09:56
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0861