TSY HADITRA (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko ianao fa tonga lafatra,sady tena hoe milayIndro kely mitsivalana,hay moa hitambaranay
Ka manomboka androany ahy,dia hiova sy handefitra
Tsy hiara-trano intsony, fa andeha hitokan'efitra
Andray 'ty endrika sy bika, fotsy sady lava volo
Izahay mpandalo rehetra rehetra, tena babonao daholo
Fa ny banga tsy hay fenoina,ny vadinao mizaka mafy
Jamba tsy maita akory, ianao aty toa mampirafy
Olon-tinao avokoa ny etsy avaratra sy antsimo
Izay tafaraka aminao dia mahazo ny aza manadino
Ny andefimandrinao kanefa,malahelo mitomany
Tsy migoka fahasambarana,tsy mahazo teny mamy
Rahoviana vao ho fatany ity karazana hirifiry
Tena mba an'Azy koa ve ity harena makadiry
Sa ve halatra natao tetsy akilany sy handaniny
Nefa ianao dia olon-tiny,sy mpanaingo ny ankaniny
Efa sitrana aho androany, aleo ianao mba azy irery
Raha misy ratra anatiny any, aza avela hanakom-pery
Asehoy an'Azy anio, ianao dia olona efa niova
Ka ahavita hampasambatra,sy hanangana rova
Mba ho lapany amin'izay!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 10/02/2025 06:27