TSY IANAO (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy izay volena akory, dia hamelana avokoa
Na izay hatsatokao, dia hitsiry sy hamoha
Misy fetrany daholo, ny tsiriritrako ombeny
Sanatriaviko ny lasa,naneneko aza ireny

Olon-kafa indray zao,no indro miondana eto an-tsandriko
Tsy niriko toa anao,fa teraka tsy tandritandriko
Lahatra sy anjara mihitsy,no naniraka azy aty
Mendrika sy tonga lafatra, fa tsy mpiantsaravelatsihy

Ianao ilay mba nantenaiko,mpandrotsy rehefa manirery
Afaka mandeha ianao,fa efa sitrana ny fery
Irony mombanao rehetra,niredareda tato anatiko
Aza miasa saina intsony,fa efa levona sy matiko

Izy indray no andefimandriko,solonao zay ratsy saina
Mpamoha,mpanaingo ny fitiavako isaky ny zaridaina
Fahasambarana mihavosa,tsiky tsy hombam-pahataperana
Tena raikitra ato anaty,fa tsy mba aloka miserana
Noho izany tsy ianao,ilay natsoko kely teo
Aza maika ny miherika,f'izaho tsy mila vorondreo
Ka ny lalanao hizorana.
--------
Rohy:
128 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 04/07/2024 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1505