VAVAKA FITIA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra Mahery, ilay Mpamorona Mpandrindra
Tazony anaty tratrako ao , aza avelanao hifindra
Mangataka aminao, am-panajana fatratra saloram-pahendrena,
Tolory fo mangoraka,tsy tia mieboebo fa mba ho mpanetri-tena
Ilay olon-tokako iny !

Maniry fahalafarana handrobona sy hamelana hampavokatra ny tany,
Ka hambosaka fitiavana, ho loharano velona tsy misy fiafarany,
Na onja misavovona, na fiainana mafaitra ny am-pitso tsy hay fatarina
Andriamanitra ô, fiakarana mideza fidinana mandavo : ataovy lala-marina,
Hoan'olon-tokako iny !

Ny ankohonanay koa hivingito fahazana rehefa tafa hombona
Ny raozinay mivelatra manaingo tanäna aza avelanao hikombona
Manantena izahay, fa ho tanteraka avokoa ireo karazam-paniriana
Ary hianoka fitiavana tsy manam-pahataperana fa manana olon-tiana,
Ka sambatra amin'izay !

Ireo solofodimbinala manampy ny isanay anaty bokim-piankohonana
Ireo karazam-pihariana mandravaka ny lapa izay mandingana tokonana
Ny antsaha sy an-tanäna,
Hitalaovako Aminao, hatomoero fahagagana
Mba ho voninahitrao ! Amen .
--------
Rohy:
32 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1201