VOAHIDY (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tsy misy masoandro iry lanitr’iry
Zay vao ho foana ‘lay hoe « tiako ianao »
Ato ny sahan’ny tena fitia
Paradisa voalahatr’irery ho anao

Ry mamiko indrindra tsy azo kosehina,
Ry ho avy mamiratra tiako hatrehina,
Ireo fahavelomako rehetra eto an-tany
Natokana ho an’i Malalako izany !

Raozy mamiratra fotsy mazava,
Toeram-ponenana tsy mety rava,
Haingo ho ravaky ny tokan-trano
Ka etsy ary ‘zay mba tohofy tso-drano

Fa fasana ihany ny anay no hany sisa
No afaka hanampina ilay fanekena
Fa saingy mitohy rehefa am-paradisa
Ilay lokam-boady izay efa nomena.
--------
Rohy:
360 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 06/11/2023 09:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018