ZANDRIM-BADY (DADAFARAtolotra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adaladala ianao ry foko,manaiky ny hivalamparany
Miantso foana tsy an-kiato, manonontonona ny anarany
Ka namboraka fitiavana, mandraraka ny teny mamy
Nefa kosa dia tsy lahatra,fa mbola sompatry ny tany

Naninona ary isika roa no izao vao tena tafahaona?
Ny foko anefa manan-tompo, no sady mbola tsy misaona
Dia indrisy fa miaiky, ary tia anao sahady
Ianao kanefa ato an-trano, no sady mbola zandrim-bady

Mandà anao tokoa ny saina, fa ny foko tsy voasakana
Dia miezaka miroboka, miampita na tsy amin-dakana
Lasa sorona avokoa ireto fiainako rehetra,
Ka ianao tsy misy ampinÿ no hany tokana mitoetra

Tena diso ianao ry vatako,miampofo hatrany ny fisiany
Tena diso tena diso, satria nampiditra vahiny
Nefa araky ny fantatra, fitiavan'io ambony indrindra
Tsy diso ihany 'zany ianao, fa tena sarotra hafindra
Ka dia difotra fitiavana ny fo adalako ankehitriny
Ianao mba fara faniriany,
eto anivon'ny tontolo!
--------
Rohy:
304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 28/11/2023 08:24
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.341