Alaiko an'eritreritra ! (DadaRabe)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAIKO AN’ERITRERITRA !Alaiko an’eritreritra ‘lay endrikao sariaka,
Mazava, manjopiaka;
Ny masonao mirehitra fitia, fanantenana,
Mpitondra hafanana !
Alaiko an’eritreritra ny molotrao miteny,
Ny tsikinao ombieny;
Fa toy ny loharano izay mikoriana ireny,
Mitohoka tantely !
Alaiko an’eritreritra ny fonao dobodoboka,
Ny vatanao mangovitra;
Rehefa ianao mifaly sy feno faniriana...
Akaikin’olon-tiana.
Alaiko an’eritreritra izay mombamomba anao
Sy ny tontolonao;
Ny aminao rehetra na mihiratra na merika...
...Alaiko an’eritreritra !
DadaRabe
La Charité
30/07/05 9 :56
--------
Rohy:
Sokajy :
FITIAVANA
Hevitra mandeha
![](https://avatar.serasera.org/092574d0d0d317065ce5c97871fa0193.jpg)
doum
(
03/08/2005 17:59)
trayyyyyyyyyyyy
tsara e
tonga oa dia izaho no nahazo voalohany ilay voamadilo masaka fa misaotra e
😊 😊
tsara be
tena faly izahay mpamaky manana anareo mpanoratra.
Homen'ny Tompo talenta hatrany anie hianareo.
Misaotra ry Dadarabe marina a
tsara e
tonga oa dia izaho no nahazo voalohany ilay voamadilo masaka fa misaotra e
😊 😊
tsara be
tena faly izahay mpamaky manana anareo mpanoratra.
Homen'ny Tompo talenta hatrany anie hianareo.
Misaotra ry Dadarabe marina a
![](https://avatar.serasera.org/998d22f0a1a06f688340aef12429b0b1.jpg)
pissoa
(
03/08/2005 21:19)
tena tsara marina e! Tena ... tsara
![](https://avatar.serasera.org/85c2cd40b142f4112ba534c2a783adae.jpg)
nyeja
(
04/08/2005 07:40)
Alaiko an'eritreritra
isika ilay niresaka
teo amin'ny paositra
alaiko aneritreritra
ilay fahatsoranao
mba tena tiako loatra !
nalaiko an'eritreritra
isika tsy nihaona satria dia lasa ianao
Nalaiko an'eritreritra
ilay antso an-tariby
"tsy manadino anie aho " .
Ny Eja 2005
ho an'ilay namako Rabe !
isika ilay niresaka
teo amin'ny paositra
alaiko aneritreritra
ilay fahatsoranao
mba tena tiako loatra !
nalaiko an'eritreritra
isika tsy nihaona satria dia lasa ianao
Nalaiko an'eritreritra
ilay antso an-tariby
"tsy manadino anie aho " .
Ny Eja 2005
ho an'ilay namako Rabe !
![](https://avatar.serasera.org/004df6822f940b868140a38b8231953c.jpg)
tia2005
(
04/08/2005 12:15)
ataovy an'eritreritra daholo ê!
![](https://avatar.serasera.org/8cb6ac5e1cd1e1d32fc78188a87e51e9.jpg)
DadaRabe
(
05/08/2005 16:35)
Doum, Misaotra é!
Ny Eja, ie, tadidiko!
Tia, alaiko an'eritreritra é!
DdRb
Ny Eja, ie, tadidiko!
Tia, alaiko an'eritreritra é!
DdRb