You are here: home > Vetso

Fitia nivakinina - DadaRabe

FITIA NIVAKININA

Fitiavako anao, fitia nivakinina,
Mangidy manasitrana ny ratrako ririnina,
Hila tsy ho telina kanefa manome
Ilay tena fiadanana sy fifaliam-be !

Fitiavako anao, fitia voamadilo,
Tsy afaka ao am-bavako, tsy mety lany tsiro,
Jereko toa tsy ampy, kanefa toa tsy lany...
Raha vao midify ianao dia io aho fa mitady.

Fitiavako anao, fitia pilokely,
Manaikitra kanefa tsy foiko velively,
Tena ankafiziko na mampipenimpenina,
Fitiavako anao, fitia tsy misy nenina.

DadaRabe
Aix-en-Provence
24/05/04   13:45

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

DadaRabe (30/05/2004 23:24:36)

Tsy fantatro hoe nainona no tafiditra in-telo io tonokalo io.

DadaRabe

hery (12/06/2004 15:30:32)

Satria ny nivakinina 3 comprimés vao mety :)
Milay

hendry (06/07/2004 18:22:39)

:-)

bichette (18/08/2004 11:53:02)


tsara dia tsara ! rarankivy aho

Hametraka hevitra

Midira aloha