You are here: home > Vetso

Iriko... - DadaRabe

IRIKO...

Iriko ny hizara ireny mamy aminao,
Ho entintsika miatriaka izao tontolo izao...
Sy ny setrasetrany.

Tiako ny mba hiaraka midola aminao,
Hanandramantsika izao rehetra izao...
Sy ny rendrarendrany.

Ilaiko ny hanambatra ny heriko aminao,
Hanosehantsika ‘reo mpila rahoraho...
Sy ny dedadedany.

Lalaiko ny hiaina sy hitoetra eo aminao,
Ahafahantsika miaina ny ampitso vaovao...
Sy ny firedaredany.

DadaRabe
La Charité
27/07/05     16:00

Hevitra mandeha

Oully (31/07/2005 23:50:47)

Tiako sady ankafiziko,
Misaotra an'ilay namako,
Andamioly.

DadaRabe (01/08/2005 15:37:15)

Misaotra Andamioly.
DdRb namanao

Hametraka hevitra

Midira aloha