adim-piainana (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy ty ka mafy
ny mahazo antsika malagasy
tsy tafavoaka fa mihafy
anaty lavaka magitsoka

efa mihondrika milofika
tomany lava, efa potika
aiza re ny teny mamy,
ny safosafo tambitamby

efa maika ery zahay,
tamin'izay fotoana izay
treizy mey no hifampotoana
tsy nisakafo koa dia noana,

Rajoelina no teny
notehafanay ombieny,
nieritreritra izahay,
fa ho avotra amin'izay,

kinajo indrisy fa tsy tody
ilay fiovana nantenaina
fa ny tao dia feuille de route
fa fahantrana dia nangaina

ry mpamaky hajaina
hanaro ihany ny ankizy
ty politika dia ilaina
fa raha diso dia krizy

dadatsima
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - fiainana
1235 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0274