You are here: home > Vetso

MILENTIKA ILAY SAMBO MAZANA - dadatsima

Azo vakiana?

Efa ho dila ihany angamba
efa niala ilay tetezana,
tsy mbola hita nihambahamba
ilay sambo gasy  MAZANA.

Efa naverina ny  valo
isa tsy ampy tamin'io
mbola tsy hita ilay kalo
fa gina matroka ny anio..

Efa navoaka  ny voafonja
efa nalamina ny ady
nisy ihany anefa ny tsy tonga
Saho ireo nanipy ankady?

Ny vahoaka  indreo milentika
ambava-tenda izao ny rano
raha kelikely  dia rendrika,
inty no tena lasa angano....


09.06.2015

dadatsima