lasa (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eny lasa, toa mandroso ihany
ny fiainantsika ety
toa mandalo dia any
tsy vita akory ny dia.

toa mihevitra isan' andro
fa andro vao sy mamiratra
no ho avy kanjo famataranandro
efa mikisaka mihitatra

dia gaga ianao fa sahady
io fa io le vavahady
tsy maintsy hidirana avy hatrany
f'izay no lahatra eto antany.

dadatsima androany 4 marsa 2016
fahatsiarovana an'i mama rakrisy nodimandry
--------
Rohy:
1060 1
Mpakafy: dadatsima
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145