You are here: home > Vetso

very aho ry volako - dadatsima

Azo vakiana?

miala tsiny aho fa very
ireo vola nantenaiko,
mba hamahako ny tery
amin'ny trosabe nalaiko

tsy somonga ty fa danz
fa voasolan'ndry rasily
tamin'ny fomba etrange
ka tsy afaka namily
ity  fiara i lanto,
fa voatery nampiato
nanantena an'ilay klé
dia ilay immunité,

voalaza anaty ny lalana
efa natao fa tsy tana,
fa vaky ny ihany ny fitaratra,
dia nanaingilay capot
ireo  mpisava ka nahataratra
tsara petraka au fond
ireo baoritra ankiroa,
tao le saosy tena voa,

very aho fa hinambary,
tsy misy saosy, ty na hena,
tena re mibaribary,
fa tsy mampino tsy hanantena,

aleo mionona no mety
tsy hatory aho androany,
fa hanembona ilay fety,
saika atao tany ho any...

tena maty ty ny paika,
rahoviana  indray no hanarina?
tena mafy mampikaika,
veloma ianao ry Ambohimanarina

09.06.2015