You are here: home > Vetso

Mety mbola hisy ve? - dadatsima

Azo vakiana?

Mety mbola hisy ve,
ny MARAINA hoan'i dago?
F' efa alina mitohy,
no manarona ty tany,

maro ireo no  efa maty
tsy nahataty
ny adim-piainana efa mafy,
torabato  toa nifafy,

ny mpitondra toa variana.
miaina anaty fifaliana,
misotro toaka,sy mandihy,
manan-tsipa ,mankafy,

be ny vola  nangalarina,
tsy nisy gadra
ireo tratra,
mbola  miandry he indrisy ,
haute cour de justice,
tsy tafajoro  fa miandrasa,
andrazaka hitady asa,
dia mitohy eny ihany,
ny fangalarana hatrany
mody miady, mody tezitra,
nefa hita fa milamina,
tsy hisy gadra eo akory,
mandehana aloha matory,

dadatsima 2 juin 2014