You are here: home > Vetso

izao orantsika izao - dadatsima

Azo vakiana?

izao orantsika izao
fotoana  hamakianao
ity poety vao natao
no &ntsoina hoe izao.

misy any amin'izao
mandihy be sy mikorana.
Misy koa anefa ao
mangatsiaka tsy mafana.

misy olona mamono
misy olona mamelona
misy may efa voatono
fa fa voan'ny ambalavelona

misy tany mbola miady
ao koany vao mivady
nahazo zanaka ampara
fa misy koa efa soara
manary ainaanaty alina
anaty aizina  efa lalina.

amin'izao ora izao
no miseho ny tantarako
mety koa ny anao
fa  tsy fantako ny anjarako

ddatsima izao  2 mars 2014

Sokajy : Ady, Aingam-panahy