lasa - dadatsima
Azo vakiana?
eny lasa, toa mandroso ihany
ny fiainantsika ety
toa mandalo dia any
tsy vita akory ny dia.
toa mihevitra isan' andro
fa andro vao sy mamiratra
no ho avy kanjo famataranandro
efa mikisaka mihitatra
dia gaga ianao fa sahady
io fa io le vavahady
tsy maintsy hidirana avy hatrany
f'izay no lahatra eto antany.
dadatsima androany 4 marsa 2016
fahatsiarovana an'i mama rakrisy nodimandry
Mombamomba
Mpanoratra : dadatsima

Nampiditra : dadatsima
Daty : 04/03/2016
Mpamangy : 940
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ARAHABA TRATRY NY TAOLANAAdy lava
malagasy mankany
vita indray...
very aho ry volako
d' izao izany ahoana?
MILENTIKA ILAY SAMBO MAZANA
Mety mbola hisy ve?
TSY MISY LAZAINA
izao orantsika izao