You are here: home > Vetso

rava ianao ry tanindrazako - dadatsima

Azo vakiana?

Tsy ampy angamba ny miandry.
Ny manantena mandrimandry
Fa mila tena famantarana,
Miseho mazava  ahafantarana.
Maro mantsy no matahotra,
Ary tena efa reraka
Tsy mahita izay ombana,
toa voasarona amin’ny takotra
ka toa mamo misaveraka,
tsy mahita izay tolana,

Dia mbola hanantena indray ve?
Minoa fotsiny ihany
Ny efa vita lalambe
Tsy mety hita ny hiafarany

Efa vizaka ny  masoko
Efa maina koa ny vavako
Izay jereko  toa  vasoka
Rava ianao ry tanindrazako….

Simon 19/04/2013