Sarotava (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fa isika rehetra
dia samy mbola miafina
ao anaty sarotava
kanefa tsy voafetra
tsy ny hoe misy tahafina
fa tena tsy mivava,

isika izao tokoa
dia miezaka miery
tsy miseho ery aloha
nefa tsy afaka-miery

mbola maro ireo tarehy
tsy tiantsika raha mandeha
fa saho hita eny anarabe
f'izatsy anie ka ratsy be....

rahoviana re vao tena hiseho?
ilay TAVANTSIKA ao anaty?
Ilay Tena izy fa tsy lay teo
hitanay fa toa pokaty

aza maika re ny hifosa
fa lery iny dia mandainga
fa saho ny sarotavanao misosa
ka ny nafeninao hiainga

f'izaho aloha dia hazavaiko
fa tsy hanala velively
ny sarotavako tsy ho haiko
ny hampiseho an'ilay fery,

tsy mbola sitrana ao mantsy
ilay fery iray tsy mety maina
fa voasokatrak'ilay antsy
tsy esorina indrisy
saho maningotra ny aina
fanafody koa tsy nisy....

koa raha tsiky no hitanao
eny an-tavako matetika
dia tsarovy fa tsy ao,
ilay tena tava fa nilentika

dadatsima 23 fevrier 2012 00.39
--------
Rohy:
940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151