tsy mbola vita (dadatsima)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mbola vita fa miketrika
nefa io tsy mety masaka
tsy ho zaraina tsy voatetika
fa mafy be tsy mipasaka.

tsy inona io hiaraha-mahita
ny fitondran-tetezamita;
tena efa lavalava ihany
raha tetezana ohatr'izany!!

ny vatsy nentina efa lany,
raha ny tsena eny an-tany
ny tena mbola eny ambony eny
tetezana ihany lava reny....

fa olombelona tsy akoho,
ka izay poritra eto aloha,
dia matatesa miafy ihany;;
mbolalavitra ny any ......

ilay TGV tsy nana-tanjona,
fa nihodin-kodina ny tany..
ilay SADEKA nampijanona.
nefa niala maina avy an trany

ny mahagaga anefa eto,
ny mpandeha efa misento
ny paysage nankaleho
fa ny eo ihany no mankeo,

dinaosaure marobe,
hitanao mandehandeha
tsy mety voky fa mitifitra
tsy mety miala mifikitra.

Antanimora io na tsiafaha
ao no wc dry zalahy
izay tratra mianatra mitsangana
eny aloha mitsangatsangana.

tetezamihitatra 19 aout 2012
--------
Rohy:
1481 0
Hevitra mandeha
mirananirina ( 28/08/2012 11:19)
Waouhhhh!alefa any @ fitondrana ity an
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146