You are here: home > Vetso

ZAY NO TENA ADY GASY - dadatsima

Azo vakiana?

Andraso  indray  kely aloha
hilaza anao ny momba an'io.
fa be ny resaka mandeha
fa ahoana ihany mba ahitsio
fa be  zao  mirehareha
fa tena raitra be totkoa,

ny politika nolazaina
dia efa fantatrao
marobe no mitaraina
ny olon-tsotra amin'izao....

manapotika ny hafa
raha misy mba mitafa
izay mba zavatra vita
ka malagasy hoe tafita
dia natao hazalambo
may trano tapa drambo,
zay no tena ady gasy
tsy mampandroso nefa indrisy

ny olona efa voaheloka
nanapoaka  ireo  tetezana
no minisitra  mifentoka
manjakazaka  tsy hay fehezana
ny mpamadika  ny namany,
mahay  ny lalana  handehanany
feno fitaka sy  lainga
feno loto feno tasy
zay no  tena  ady gasy..
tsy nampandrosoa antsika indrisy

dadatsima ihany  24.02.2014