NALAIN-DRAFAHAFATESANA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NALAIN-DRAFAHAFATESANA !

Zaza mbola kely
sy mahonena loatra
tsy mahalala velively
fa efa any ankoatra
ilay andry niankinany...
tsy hiverina intsony !
Raha mba hainy mantsy
fa nantsoin'ny ao Ambony
ny reniny malala !
Ity zaza tsy mahalala
ka tsy omena tsiny
raha nono no angatahany
sy mba itomaniany
fa tsy ny fisarahany
amin'ny reny tena tiany
sy tokana lalainy !
Mantsy raha mba hainy
fa tandrifiny ny rahona
tsy takatry ny sainy
fa tsakoiny anie ny vahona
amin'izao fotoana izao !
Ny fantany dia izao...
minono dia matory
tsy mahafantatra akory
izay fampandrenesana
fa iny reniny iny ?
...nalain-drafahafatesana !

LAVENONA
--------
Rohy:
50 1
Mpakafy: Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 19:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821