NODIMANDRY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NODIMANDRY

Andro mbola maizina, Talata vao maraina
maso mbola ditsoka no nilazana tamiko
fa vita hono ny iraka izay notontosaina
ka hody an-tanindrazana ilay Dada tena mamiko !

Mba faly ery ny tena namonjy teny ivato
naniry efa hatry ny ela ny hahita azy indray!
mihitsy mitamberina sy tonga an-tsaiko ato
ilay izy vao hanainga, eritaona lasa izay !

Tsy nahitana teny nefa ny olona nitsena!
I neny koa tsikatitro nandrotsaka tomany
Nanomboka nangina aho sady nanontany tena...
dia ho sanatria ve ? Aza misy anie izany...!

Tonga ny fotoana dia niezaka aho nitony
Teo izay vao fantatro ny tena zava-misy !
Ilay dadako malalako tsy namana intsony
fa razana iny sisa !....indrisy ka indrisy..!

Toy ny nofantsihina ny tao am-poko tao !
i neny moa tsy tana fa dia torana avy hatrany !
Dada o! Ndeha atao hoe tombon-dalana ny anao
fa...raha mbola olombelona tsy maintsy handao ny tany !

LAVENONA
--------
Rohy:
63 1
Mpakafy: tafitasoa777
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/03/2024 10:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157