TARATASY MIAFINA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY MIAFINA

Ito taratasiko ito...,raiso ka hafeno
fa aza avela ho hitany
fotsiny teneno hoe.....
hisaorako azy foana ny zavatra efa vitany
Na aza feno fery ilay fo izay noratrainy
Tano ho antsika lahy fa.. aza avela ho hainy
dia izao koa letsy Da a!
raha toa anontaniany na..hatsafainy ialahy
mikasika ny amiko.. ,dia izao sy izao havaly..
efa voafafa hoe ireo holatry ny jaly
nataony tato am-poko
Efa niova tsiky hoe ny sento sy toloko
niainako fahiny,
Dia iangaviako ialahy hijery, ilay valopy vao
fa misy sary tapaka nataoko anatiny ao
Ilay sariny fahiny, tsy haiko raha tsaroany !
mba avereno ho azy letsy fa tsy ilaiko intsony a !
Vita hatreo ny fiainana izay nosembanin-drahona
ampy izay ny andro nosotroana ngidim-bahona
ka hivadika tantely rakotra hamamiana indray !
Rehefa vita izay dia...
Doroy ho lavenona ito taratasiko ito !
Aoka hivalona eto ny alina aizim-pito , sy..
fahoriana samihafa...!
Izay fa..hofaranako ny resaka sy tafa an !
dia veloma mampamangy ...!

LAVENONA
30/01/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
63 2
Mpakafy: tafitasoa777 - Felanarkt
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 11/04/2024 18:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1397