Neniko (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry neny ô, telopolo taona
Ny anareo ny mariazy
Nefa toa tsy ho vita foana
Izay fankalazantsika azy.

Izahay ity mbola repotra
Tsy mba manana ambim-bava
Mbola he mivoaka sempotra
Tsy ampy vola lalandava

Tsy aleonao ve mba maharitra
Ohatra amin'ny herintaona
Hataontsika mahafinaritra
Fety be tsingerin-taona?

;

Neny ô, 'zahay nahazo fiara
Vita hatreo izao ny mi-battre
Nandaniana vola ho tsara
Fa mba tena 4*4

Fa tsy hadino ilay nambara :
Lokalokako nikôzy
Hoe rehefa manam-piara
Hitondra anao mirôzirôzy.

Tsy maintsy isika ho tafahaona
Fa ny izao aloha no miandry
Amin'ny faran'ito taona
Isika hankany Vatomandry.

;

Neny ô, fetinao anio
Ka firariana iray fehezana
Ny SMS no vakio
Io no solom-panomezana.

Ny kadoa dia mbola homena
Rehefa mba malaladalaka
Hovidianay eny an-tsena
Rehefa mba tsy valabalaka.

;

Neny ô, ao an'entako ao
Sôkôlà no mba voan-dàlana
Amin'ny alahady izao
Homena anao haterin-tànana.

Fa ny anio aho mbola reraka
Tena mety tsy ho tafidina
Mbola drodroka tanteraka
Tena valaky ny sidina

...


Ny hatak'andronay rehetra
Andrinao hatrany hatrany
Ny aina anefa tsy nametra
Tsisy an-kiera teo dia lany.

Neny ô, aoka ho faranana
Ito vetso an-taratasiko
Ao! Mandria am-piadanana
Matoria fa tsy hampiandrasiko

!

DotMG, 02 oktobra 2013
--------
Rohy:
1486 0
Hevitra mandeha
Skual.R ( 05/10/2013 09:06)
tsara e! tiako
liber_t ( 03/01/2014 08:17)
ATOKOY NY VATO

‘Raha vola na harena, na inona no lany
Raha mbola tsy ny kiry, tsy olantsika izany
Ilay fanantenana no tano foana hatrany
Dia, koa, tovano asa ilay mino fotsiny ihany

Fa n’inona miseho, na inona hitranga
Totofy fitsikiana ‘zay isam-bato banga
Ny toky tsy ho faty no aleo arangaranga
Dia ho hitanao sahady ny lanitrao ho manga

Raha toa marary I Dada fa mety lany vola
Odio tsy hita akory f'ianao ve 'zao dia tola?
Ihorirano fotsiny ‘zay tifi-mahasola
Fa teny an-taom-baovao no ataovinao miangola

Fa mandra-piandry izay fifosa an-teniteny,
Tolory safosafo tsy hisendaotra I Neny
Tohano lagilasy hatreny an-tratrany eny
Dia ho hitanao fa mofo dibera no homeny

Hanampiko an’izay dia ‘ty lazaiko anao
Ny dimy taona ho avy, omany dieny izao,
Ny vato no atokoy raha vonona hilalao
Fa mbola hahay misinda ny orana mitraho

Izay fa mahereza
Mandrafitra sahady izay ho tongo-tseza!

Ny R. FIDIMANANTSOA
02/01/2014
liber_t ( 03/01/2014 08:22)
diso fipetraka ilay dika-petaka lehity e!
liber_t ( 03/01/2014 08:23)
diso fipetraka ilay dika-petaka lehity e!
ahoana no fomba hamafana an'io?
DotMG ( 03/01/2014 08:26)
Tsy maninona io eo fa avereno adika any amin'ilay lalaon'eseky fotsiny e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111