FEHEZIN'NY FITIA (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ho aho FITIA !
-Fitiavana Mahery tsy hatsangana 'Mijoro'
Fitiavana Mahery tsy Resin 'Horohoro'
Fitiavana Mahery mandrehitra 'Mandoro'
tsy mety torotoro!

Hanananao ny hery, tsy tosiko anaty
Mahasambatr'ity Aina sy manambana mahafaty
...Oviana moa aho iny, ilay nalofam-pahasambarana
Nahanokao am-paly, toa mila tsy hifarana
Oviana koa aho iny,. Narindrinao amaso tsy ahita ny mangirana
..Nalofikao hilefitra teroa Ankodimirana

Tsiaro tsy fandevona, Sokitra an-Diary
Ny Horam-pifaliana,sy ireo Rasa naharary
Niseho ankarihary
,,Nekeko ombeny ireny
Izay mety ho valin-teny
Nomenao teny ho eny..

,,na Ratra tsy nampoizina Nandrantsana ny Fo
na Andon-kafaliana nahamirana ny Andoha
Nekeko avokoa

......Eny ho aho FITIA !
Manaiky anao iny Aho!
Tsy hatsangana 'Mijoro'
Tsy Resin 'Horohoro'
Mandrehitra 'Mandoro'
Tsy mety torotoro.

Fetra Rafitsahàrana
03/01/17
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1074 2
Mpakafy: rajo.noum - fetra.emo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 29/04/2017 13:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789