You are here: home > Vetso

Anio... - Fiaritiana

ANIO...

Meteza ianao anio
Na ho mandrakizay
tsy mampaninona ahy
Ho fifalian ny foko
Hamborahako toloko

Meteza ianao anio
Hihaino ahy hilaza
Na androany fotsiny aza
Ilay fitiavako anao
Izay ao am-poko ao

Iriako dia iriako
Ny haheno anao hiteny
Ireny fitiavanao ireny
Faniriako ny hahalala
Raha mbola izaho no "malala"
Ilay tokanao tsy foy
Ny adiadintsika adinoy

Meteza ianao anio
Meteza koa rahampitso
Mba ho olon-tiako...

14 fev 2006

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

vale (13/04/2006 21:31:06)

mmmh,tena izany mihintsy ny tadiavin-tsika vehivavy aky à!marina daholo izany rehetra izany!!

Hametraka hevitra

Midira aloha