You are here: home > Vetso

Tia anao aho... - Fiaritiana

Tia anao aho...
Tsy hoe imolotro ihany
Fa fitiavana ato anaty
Tsy mba azo atao vinany
Ka ny alahelonao
No manjary ranomasoko
Na ny tsikinao aza
No hany tena satriko
Ny sangisanginao,
Lasa nofinofiko
Ny hafatrafatrao..indray,
No lasa tokiko
Tsy nenina ny ahy
Raha nitia tsy nandà
Tsy fandaniam-potoana
Ilay nitia anao foana
Fa satriko ary iriko
Raha mbola ianao no tiako

FIARITIANA

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

vale (13/04/2006 21:24:27)

mmmmh, mamy tokoa ny fitiavana!!!!!!

fiaritiana (14/04/2006 00:13:36)

plus que mamy!
Bizz vale

Jovany (22/04/2006 17:51:20)

tena mahafinaritra be fa tohizo!
Mirary soa!

fiaritiana (22/04/2006 23:01:54)

misaotra sy mankasitraka anao Jovany a!dé mirary soa ho anao koa

fiderana (05/04/2007 11:37:26)

mankasitraka ê!

Hametraka hevitra

Midira aloha