Fandeferana (Fiaritiana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandehàna ry malala
Teny tsotra no ambara
Efa tsy tanty ny ataonao
Miàla eto izao dia izao

Mandehàna ianao ry aiko
Teny tsotra no lazaiko
Izao no tadiavinao
Izao fisarahantsika izao

Mandehàna ianao ry tiana
F'efa heni-pijaliana
Ny fiarahako aminao
Aza avela hikasi-tanana aho

Mifona aky malala
Mifona aho fa adala
Tsy mba nitia, nanaja anao
Fa nitady foana vao

Mifona aky ry lala
Mifona aho fa fitiavan-drala
Sy fitiavana harena
Mahatsapa aho fa tia tena

Mifona aho aky ry tiana
Hitondra amin izay fifaliana
Hiova aho manomboka izao
Mifona aho mba avelao

Izato foko feno antra
Eny na dia efa naràtra
Dia manaiky anao hatrany

Ka raha misy famerenana
Tsy misy intsony fandeferana

fiaritiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4309 0
Hevitra mandeha
vale ( 13/04/2006 19:27)
mahery marina ny fitia e, ary tsisy ôtran'ny mandefitra marina ô!!!
fiaritiana ( 13/04/2006 22:15)
tsara ny mandefitra fa misy fetrany ny fandeferana!!" ka raha misy famerenana, tsy misy intsony fandeferana"
Kiss aky vale a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108