Tsy mijanona eo... - Fiaritiana
Azo vakiana?
Ny fety iny no lasa
Fa ny antsika tsy mijanona eo
Raha tsy hoe angaha hoe leo
Izaho aloha TSIA fa ianao no asa?
Ny fety iny no vita
Nandalo fotsiny ihany
Kanefa ny fitiavantsika
Mbola hitohy hatrany
Ny fety iny no tapitra
Fa ny antsika kosa
Ilay tady nampifamatotra
Tsy ho vahàna intsony
Izay ilay hoe roa no lasa iray
Ho mandrakizay!
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fiaritiana
Nampiditra : fiaritianaDaty : 15/02/2006
Mpamangy : 2086
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fitiavako azySao ianao dia efa tsy tia ahy intsony.
Fo maràtra
Tia anao aho...
Iny fitiavako iny
Dans un instant
Fandeferana
Tia sy Tiana
Anio...
Tononkalo iray!