AZA MANDAO! (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Meteza hihaino ahy r'ilay tiako fanaperana!Raiso akia ny tanako! Mijanona! Aza mandao!
Eny mantsy akia ry zazavavy iray niserana!
Tsy foiko ka iriako ny hijanonanao!
Raha handao ahy ianao izao anio izao
Dia hisy fahabangana lehibe antiko ao
Ka miangavy aho moa e! Aza mandeha malala a!
Mitoera e! Mitoera! Mijanona fa aza miala!
Raha hosinaraka eto isika handao ahy indry
Dia ataoko ahoana ity foko hangaina kely ity?
Mba topazo maso moa! Jereo fa mitalaho!
Aza odiana adala fa manantena anao anie aho!
Raha ny tiako toa anao toa mbola sarotra ho hita!
Ahoana no ahafahantsika mikosoka ireo rehetra vita?
Moa ho haintsika ny hanadino an'ireo tantara mamy?
Ho vitanao ve ny hamarana izany rehetra izany?
Raha tinapaka ny tady moa mbola azontsika haverina?
Mora anie ny mandrava fa sarotra ny manamboatra!
Rehefa tonga ny ampitso , angamba samy hanenina!
Ka aza manapa-kevitra anaty fo mbola sendoatra!
Eny mantsy akia ry zazavavy iray niserana!
Tsy foiko ka iriako ny hijanonanao!
Meteza hihaino ahy r'ilay tiako fanaperana!
Eo raiso akia ny tanako! Mijanona! Aza mandao!
Fidy Art Niaina - 12 Desambra 2023 - 12:58
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 09:41
