ESONA (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Impiry izy nilaza fa hotakariny ny kintana
Nampanantena mihitsy fa homeny anao ny volana
Tandremo re ry Aiko fa ireny anie ka fintana
Mody hanjonony anao ireo karazana voambolana
Teny mamy, lokaloka,... voahaingo sarin-teny
Tadidio fa tsianjeriny efa pilia vava ireny

Lolololo toetra iny, mpanimba vony fanja
Mpitety voninkazo sy mpitsetsitra ny mamy
Aza matimatin-doka hoe kanto sady manja
Ampandriany adrisa ndry dia hanapàrany ny filàny
Fa avy eo ianao tsy ilainy, toy ny ravina nihinanana
Ka tandreno sao ampiesoniny fa dia lafo am-pitsanganana

Fidy Art Niaina - 12 Janoary 2024 - 23:01
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fitiavana
98 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0152