Ireo nodorana hatrizay (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry lanitra o! Fa inona daholo izao mitranga izao?
F'isan'andro vaky, rehefa manaraka vaovao
dia may indray, hono, tatsy; ary tena higagana,
mandravarava ny afo e! Tsy an-tsaha; tsy an-tanàna.

Fa dia iza loatra no tsy vanombanona eto e?
Iza no mibaiko hoe "ary ananona areheto!"
Vaka ny mpijery; gina ny mpitazana.
Ala maitso mavana iny; vetivety lasa ngazana!

Avoahay ny marina fa tianay ho fantatra
Hatramin'ny nadoro an'Anatirova sy Andafiavaratra
Ny rovan'Ilafy sy ny Doanin'Ambohimanga...
Aza misy hafenina fa avelao hitranga!

Ny rovan'Ambohidratrimo voafira, hotohoto.
Ny ministeran'ny Tontolo iainana teo Antaninarenina...
Dia may sy nanjavona ireo "Dossier maloto"
Avoahy ny marina e! Aza misy hafenina!

Ankehitriny izao, efa diso tafahoatra;
Ala an' hekitara maro no kila sady may.
Ny ela nahanginana tsy maintsy hitroatra e!
Efa ampy kosa izay fanimbana teto izay!

Karazam-biby maro no ringana sy maty;
Ireo sisa velona, tsy manana hialofana.
Iza loatra no manana fisainana paokaty?
Fanetriben'ny tany; mendrika fongorana.

Tsia! Ho nosy mena foana ve i Madagasikara e?
Jereo! Lavenona sy setroka no hany sisa tazana!
Na hafenimpenina aza ny tantara no aoka hitsara!
F'izay mandorodoro eto; fahavalon-tanindrazana!

#fidy_art_niaina - 16 Oktobra 2022 - 09h36
--------
Rohy:
67 1
Mpakafy: Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art Niaina
Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 25/03/2025 12:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0197