Sento takariva (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa irery iny aho Toa zary manonofy ny ho eny am-paravodilanitra
Fa hatreto aloha tsy todiko
Dia eto aho miandrandra taratra hazavana
Ato anaty efitranoko... banga tanamasoandro
Inay aho anilanao; inay ianao miaraka amiko
Izaho, ilay nitazana foana eto ambaravarankely
Ka mahita anao dorehitra amin'ny andro takariva
Dify ianao iny... ny foko mbola miandry
Miandrandra anao ny foko izay mitempo anatiko ao
Ka raha andeha ianao
Dia ho rava ny hazavana
Ho foana ny hafanana
Niarahana nioty tamin'iny lalana iny
Fotoana hanaovana veloma mantsy izao...
Tsia! Tsia! Tsy hisy intsony ireny rehefa lavitra ahy ianao
Nofintsika ny hiaina eny amparavodilanitra
Fa hatreto tsy tontosa
Ry Volana baliaka ô! Hazavao re eto amiko
Ry Johary idealy ô! Hafanao re ity akaniko
Ireo antsa nokaloina sy poezia niraisantsika e!
Niaraha-nanoratra teo am-banjan'ny fitia
Niaraha-nankafy ny habakaba-manga
Fa rehefa ianao no banga...
Maizinkitroka ny lanitro
Ankehitriny, eny!
Toa sombin-kazavana mitsilopy ireny
Takelaka voarakitra niarahana taminao
Isika ilay natopan'onja teny ambony ranomasina
Ilay nihenjy tao edena tamin'ny ora sandratr'andro
Tsia! Tsia! Tsy hisy intsony ireny?
He!!! Noho ny aminao no mbola hamelomako azy
Ilay andro takariva...
Niraisantsika tanaty poezia!
Fidy Art Niaina - 25 Jolay 2022 - 11h10
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo - Eritreritra mandalo
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 09/04/2025 13:08
