RAISO INDRAY (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiso indray ny peninaEntinao handahatra ireo teny tsara fantina
Sy ny rima tsara rafitra
Raiso fa aza afenina
Ary kajio mba ho zava-manandanja
Tsy mora lefy fa haharitra
Ka etsy re lazao
Soraty ho fantatray
Ny zavanisy teny ho eny
Ity ny fela fotsinao
Ka andeha soraty indray
Mba hamelona ny teny
F'ianao poeta io
Olona miavaka
Hitoeran'hatsarana
Mantsy, tadidio!
Ianao mahay mandravaka
Sy maneho ny fahamanjana
Manja ny miaina
Kanto ny tontolo
Mamy ny mitia
Ireo rehetra ireo
Arafeto daholo
Ho lasa poezia
Raha tojo alahelo
Sendra hakiviana
Na misaona ny eto ankianja
Aza atao tsiambaratelo
Na kobonina mangina
Fa soraty iaraha-milanja
Ary hamaranako azy izao
Izaho sasa-miandry
Isan'andro vaky
...Ny tononkalonao
Ary tsy tafandry mandry
Mangetaheta te hamaky
Fa tononkalo monja
Ilay nohantsainao
Tena hafa loko
Zary nampanonja
Ka te hitopa eny aminao
Ry torapasiky ny foko
Fidy Art Niaina - 23 Aprily 2022
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 09:39
