FINAFAKO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy teto vony nitsiry
Fa sendra latsaka an-tany tsy nahy
Tsy norarako fa navelako haniry
Saika hokoloiko sy horaisiko ahy

Raha nisy teto tafiotra mahery
Nijoro foana aho nanohitr'ireny
Ralala tsy foiko tsy navelako ho irery
Fa notohanako foana ombieny

Nefa indrisy... eny, nahoana?
Ilay nitokiana no indro nandao
Mihitsy, sahiny ny nanafoana...
Mantsy, fiandry no ilavany anao

Niezaka foana aho; nivonona ny hiady
Aminy ireny nikaonty ho tsy misy
Naharetako daholo ny latsa nianjady
Ny azy ny tanjony hay hafa mihitsy

Aza disoina aho raha hamadika diary
Hanokatra pejy vaovao hafa indray
Ny antsika ry Lala efa hita tsy hanjary
Toa afo mandoro sy memy mahamay

Hofinafako aby, eny, ireo sarinao
Ireo tononkiranao koa hampirimiko
Omeko olon-kafa koa ny toeranao
Dia ilay solonao no andeha hofihiniko.

Ka etsy veloma r'ilay notiaviko
Tena nitia saingy tsy rarahinao
Tsofy rano aho fa hiatrika ny hoaviko
Tsy izaho ilay anjara voalahatra ho anao

Fidy Art Niaina - 15 Desambra 2023 - 23:15
--------
Rohy:
112 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0158